Faly miarahaba antsika rehetra ato amin’ity tranokala ity. Faly, tena faly aho raha toa raha afaka miaraka aminareo ato satria tsapako dia tsapako tokoa fa zava-dehibe ny fifanakalozan-kevitra amin’ny tanora, eny fa na ny lehibe koa aza. Hitako ihany koa fa fomba iray tena mahomby tokoa ny internet raha toa ka hifanakalo hevitra sy handefa hafatra haingana amin’ny tanora ankehitriny. Noho ny andraikitra izay sahanina izay efa fantatrareo tsara dia tsy dia afaka mijanona ela sy migalabona loatra ato ny tena nefa kosa aza matahotra ianareo fa tsy maintsy tonga aty amiko ny hafatra rehetra izay hapetrakareo ato. Efa misy izao mantsy ny olona ato amin’ny fiadidiana ny repoblika izay misahana ny serasera amin’ny tanora manokana, amin’ny alalan’ny informatika. Betsaka tokoa angamba no gaga sy tsy nino ny fidirako tato amin’ity tranokala ity nefa tsy misy tokoa anie lalàna mandrara ny tsirairay tsy hiditra ato e. Hitako ihany koa ireo hafatra izay efa napetraky ny sasany aminareo ato. Ho an’ireo miresaka momba ny “Urban Wear” dia, ao ny ministeran’ny kolontsaina sy ny tanora afaka tsara mihitsy mandray an-tànana anareo amin’zay soso-kevitra tianareo ho entina. Hitako ihany koa fa betsaka aminareo tokoa no vonona hiasa mafy, hiasa hiaraka ary hiasa hiaraka haingana, mahafinaritra tokoa ny mahita ny fihetanamponareo amin’zany ary mifampatoky isika, ianareo mahatoky ahy, izaho mahatoky anareo. Tsy hijanona fotsiny amin’ny resadresaka ato isika fa hiasa, tena hiasa. Hafatra no hapetrako amintsika tanora, Malagasy na ny any am-pita any izany na ny eto an-tanindrazana. Ho an’ireo mpianatra, mpiasa eto an-tanindrazana, tohizo ny ezaka zay efa natombon-tsika niaraka ary aza menatra ianareo na matahotahotra mandray andraikitra. Manàna fahasahiana mihatrika ny fiainana, miditra eo amin’ny sehatry ny fandraraharana ary mba manana ny anareo manokana. Aza menatra mihitsy ianareo mampiseho ny maha-malagasy anareo. Hitako zao ato amin’ity tranokala ity fa vitsy aminareo no miteny gasy. Marina dia marina tokoa fa tranokala vahiny izy ity nefa rehefa nandinika, maro ireo olona avy amin’ny firenena hafa izay manoratra amin’ny tenindrazany ato. Tsy midika akory zany hoe aza miteny ny teny vahiny, tsia! Tena ilaina tokoa ny teny vahiny satria tsy afaka miala amin’izy ireo ny fampandrosoana haingana ny firenena nefa aza adino ny tenindrazantsika fa io no maha-gasy antsika. Ho an’ireo izay any am-pita dia aza adino ireo zandry zanaka ary indrindra fa ny firenen-tsika. Aza variana fotsiny manasoa ny tanindrazan’olona fa ny antsika no ampio. Mangalaha traikefa fa io no tena ilaina. Marina fa mafy ny fiainana eto Madagasikara, tsapako tokoa izany ary mbola betsaka ireo Malagasy mahantra kanefa tsy misy mafy tsy laitran’ny zoto sy ny fifanampiana anefa. Isika Malagasy dia malaza amin’ny firaisan-kina ary izay ihany koa no tena hery lehibe hananantsika ka tokony hiaraka hientana isika rehetra amin’ny fampandrosoana haingana sy maharitra. Ho antsika rehetra, nanambara tokoa aho fa mbola mafy ny fiainana eto Madagasikara nefa efa misy ihany koa ireo ezaka vita toy ny fanamboarana ireo lalam-pirenena isan-karazany, ny RN6, ny mampitohy an’ny Sambava sy Antalahy sy ny sisa. Eo ihany koa ireo seranan-tsambo izay nasiam-panamboarana, ny tetezana…Aza manaiky fotsiny ianareo ho rebireben’ny hafa izay mbola misy tsy maty voalavo an-kibo ka miniha mihitsy aza manao vato misakana ny fampandrosoana, aza mihaino ny fanaratsiana maro izay ataony any, avelao izy hiteny fotsiny ao, mangina ho azy eo izy rehefa hitany ny fandrosoana. Madagasikara dia firenena manana ny maha-izy azy ary tena efa betsaka ny firenena vahiny mahafantatra antsika ary vonona hiara-hiasa amintsika, efa maro zao ny mpandraharaha vahiny tonga eto hanampy antsika eo amin’ny fitrandrahana zavatra maro misy eto. Aza manahy ianareo fa tsy misy zany hoe lasan’ny vahiny ny tany sy ny sisa, efa “contrat” mazava tsara no natao tamin’izy ireo ny amin’ny izay zavatra ilainy ao ary tsy maintsy misy ampahany betsaka miditra amintsika Malagasy. Izao isika dia handray ny fihaonana an-tampony ny firaisambe afrikanina amin’ny taona ho avy. Zavatra goavana dia goavana io ary isika, izao vao handray zany fivoriana lehibe zany. Efa manana centre de conference international lehibe isika anaovana izany ary misy ny hotely lehibe ihany koa zay efa hamboarina amin’zao handraisana ireo vahiny. Izany dia efa dingana lehibe ho tratrarin’ny firenentsika ary tsy maintsy tratran-tsika io, aza matahotra ianareo fa tsy maintsy vita io ary tombotsoan-tsika ny fandraisana azy io fa tsy fandaniana velively araka ny filazan’ny sasany. Izay ary no ela fa mino sy mahatoky aho fa ho tonganareo any amin’ireo Malagasy hafa any izay tsy mahita ity izao hafatro izao. Zava-dehibe ny fahafahana maneho hevitra toy izao ary efa maro ireo tranokala hafa izay hitako misy fanehoan-kevitra toy izao ihany koa kanefa mbola sarotra ny hitety ireny fa ny ato aloha izao no hita fa mivelatra kokoa, ary ho dinihina ny mba hisian’tranokala toy izao mivelatra ho an’ny Malagasy manokana. Ho ela velona anie isika rehetra ary samy ho tahin’Andriamanitra.
Interests
Socio-politique Agriculture et élevage
Favorite Music
Hira gasy
Favorite Books
André Kaspi, Franklin Roosevelt, Paris, Fayard. Sabine Forero-Mendoza, Franklin Roosevelt, Paris, Hatier. André Béziat, Franklin Roosevelt et la France (1939-1945): La diplomatie et l'entêtement, Paris, L'Harmattan. Raoul Aglion, De Gaulle et Roosevelt, Paris, La Bruyere. Michal Bernard, Roosevelt, du New Deal à Yalta, Genève, Famot. Einaudi Mario, Roosevelt et la révolution du New Deal, Paris, Armand Colin.
Barinjato >> pourquoi se casser la tête. Peu importe si on écrit ds la page du vrai ou faux président .... on passe pr le FUN avant tout !!! ........ La vie est dja assez dure comme ça, ne rajoutons pas d'ô pb !!!
Ho anareo rehetra, izaho aloha tsy mino fa ny Filoha Ravalomanaona ito olona ito. Maro loatra ny zavatra hitako manamporofo izany, ohatra: 1. ny sary rehetra momba azy izay hita ato dia sary nalaina tamin'ny internet daholo, izany hoe na iza na iza manana adiresy mailaka dia afaka mamorona an'ity momba azy ami'ny hi5 ity daholo 2. be loatra ny teny diso amin'ilay hafatra, mino aho fa ny Filoha manana olona mahay sy mahavita azy manampy azy raha handefa hafatra tahaka itony ka hitandrina amin'ny fanoratana ny teny malagasy. Ohatra fotsiny amin'ilay laharampahamehiny manao hoe "Aza matahotra minoa fotsiny iany" , "ihany" no fiteny fa tsy "iany" izany. 3. inona no hidiran'ny resaka "urban wear" amin'ny fandrosoan'i Madagasikara, tsy tokony ny fahaizan'ny tanora no zava-dehibe ve aloha vao ny fomba fiakanjony ? ... Raha ohatra ianareo manana porofo hafa fa tena ny Filoha tokoa io olona io dia lazao eto.
Efa niasa mafy isika ka inoako fa mbola hitohy hatrany izany. Andriamanitra anie hamaly izay soa rehetra efa vitanao sy ny mbola hataonao an'i Malagasy rehetra !